Manana fikambanana ny terak’Imady monina eny Ambohipo. Mitsinjo hatrany ny hisian’ny fampandrosoana any amin’ity toerana nihaviany ity izy ireo. Nanao fihaonambe ny mpikambana ny alahady 19 marsa teo, teny Ambolokandrina. Isan’ny nivoitra ny fangatahana amin’ny fanjakana ny hanaovana an’Imady ho distrika izay mbola kaominina hatramin’izao ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania. Satria tsy mitsahatra miitatra ny tanàna sy ny isan’ny mponina. Nangataka koa ny terak’Imady Ambohipo, ny hanarenana ny lalana miainga eo Ambositra hatrany amin’ny kaominina Imady, simban’ny andro ratsy nifanesy farany teo.
Notsipihan’ny filohan’ny fikambanana, Andriamiherintsoa Tolojanahary, fa tsy hadino ny nihaviana na aty alavitra 200 km miala ny tanàna aza. Maherin’ny 1.000 ny mpikambana eny Ambohipo, ka hampitaina amin’ny zanaka ny soatoavin’Imady. Toy ny fandihizana «kitohatoha» niarahana natao nandritra ity fihaonambe ity.
Maro ny rantsam-pikambanana eto Antananarivo, miray feo ny hamadihana ho distrika ny toerana nihaviana. Hisy akony amin’ny fampandrosoana ara-toekarena any Imady ireo fitakiana roa ireo, satria hampitombo ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra ny fahavitan’ny lalana mampifandray aminy amin’ireo kaominina manodidina.
Njaka A.