Fanokafana ny taona Teatraly 2023 : nosafidiana ny sanganasan-dRabearivelo

Hisokatra ny alahady 26 marsa izao ny taona teatraly 2023. Ao amin’ny AFT Anda­vamamba no hanaovana ny hetsika fanokafana, ka nisafidianana ny Sakaizan’ny Tea­tra malagasy Lycée Rabeari­velo hanao ny hetsika. Nofan­tenana manokana, araka iza­ny, ireo sanganasan-dRabeari­velo, hoentina an-tsehatra amin’io fotoana io.
“Lovasoa” (Bel heritage), “Andrianiko ny teniko, ny an’ ny hafa koa feheziko” (Je vénère ma langue, celle des autres, je maîtrise». Io no lohahevitra ka hisy ny antsan-tononkalo no­soratan-dRa­beari­velo, horavahana hiran’ny omaly, izay tononkalon’ity mpanoratra ity ihany no na­sian-dry Ramaro­son Wilson sy ry Naly Rakoto­fi­­ringa feony. Misy amin’ireo tononkalo ireo no nosoratan-dRabearivelo ihany koa amin’ny teny frantsay sy teny espaniola.
Tsy hadino ny “Imain­tsoana­la”, “Opéra” Malagasy voalohany mbola nosoratan-dRabearivelo ihany, saingy sombin-tseho ihany no holalaovina. Eo koa ny “Lamba”, tantara fisehatra fohy nosoratan-dRavaloson Mbato, saingy notakarina tamin’ny tononkalo “Lamba”, mbola asa soratran’ity andrarezin’ny literatiora ity.

Zo ny Aina

Partager sur: