Fiara voafaokan’ny lamasinina : telo namoy ny ainy, tapa-doha ny iray

Nifandona tao Andekaleka, ny lamasinina sy ny fiara 4×4 iray, tamin’ny sabotsy. Maty tsy tra-drano ny teknisianina telo lahy, mpiasan’ny Jirama. Tapa-doha ny iray tamin’izy ireo.

Mampihorin-koditra ny lozam-pifamoivoizana, niseho tany Andekaleka, afakomaly hariva. Tokony tamin’ny 6 ora sy 50 mn no nisehoan’izany. Voatrongin’ny lamasinina ny fiara 4×4 iray, nitondra ny mpiasan’ny Jirama hamonjy fodiana. Nisy tamin’ireo mp­i­asa namoy ny ainy no tapaka mihitsy ny lohany. Efatra ireo teknisianina mpiasan’ny Jirama tao anatin’ny fiara 4×4 no tra-doza tampoka teo amin’ny lalana misy lalamby. Notaritin’ilay lamasinina ha­trany amin’ny 50 metatra mihitsy ity fiara 4×4 ity ka nitarika ny fahafatesan’ireo mpiasa telo lahy. Raha ny fanazavan’ilay mpiasa iray hany sisa velona, araka ny fampitam-baovao nampitain’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Andekaleka, efa akaiky hiditra ny lalana hifanapahan’ny lalan’ny lamasinina izy ireo no nifanena tamin’ilay lamasinina ka vodin’ny fiara no voasarika tany amin’ny 50 metatra. Nisy fahasimbana ny groupe lehibe iray mpamokatra herinaratra ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra ao an-toerana ka lasa nanamboatra izany ireto teknisianina eo anivon’ny orinasa Jirama ireto.
Vita soa aman-tsara ny asa ka teny an-dalana hody izy ireo no nitranga tampoka ny loza. Lamasinina ampiasain’ ny mpiasan’ny Jirama ao an-toerana ihany ity nifandona tamin’ilay fiara nitondra ireto mpiasa niharam-boina ireto, araka ny fanazavan’ny zandary hatrany. Misy lamasinina ampiasain’ny mpiasan’ny Jirama amin’ny fikarakarana ny asa famokarana herinaratra ao Andekaleka.

Andrasana ao Andekaleka ny razana…

Potipotika tsy nisy noraisina ilay fiara 4×4 nandehanan’ireo teknisianinan’ny Jira­ma. Efa nentina ao Ande­kaleka ny nofo mangatsiakan’ireo mpiasan’ny Jirama. Nisy fanambarana sy fampionona ny fianakavian’ireo niharam-boina momba ity loza mahatsiravina ity. Na­namafy ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Jirama fa efa ao anatin’ny famotorana momba ity raharaha ity izy ireo miaraka amin’ny zandary ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra ny antony nahatonga ny loza.

Tsiferana R./Jean Claude

Partager sur: