Telo andro sisa, hihaona amin’ny les Fauves de Centrafrique ny Barea. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2024, hotontosaina ny alakamisy 23 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny kianjan’ny Barea Mahamasina.
Notanterahina omaly teny Mahamasina ny fampivondronana ny Barea. Tonga dia nanomboka ny fanazaranten’ izy ireo, taorian’ny nahatongavan’ireo mpilalao teny amin’ny hotely Ibis, Ankorondrano. Marihina fa naneho ny fahavononany avy hatrany ireo mpiaro ny voninahi-pirenentsika, anisan’izany i Melvin, mpiandry harato sy Ibrahim Amada, kapiteny, ry Dax sy Jean Yves ary Tantely, mpilalao nitondra avo ny Barea nandritra ny Chan Alzeria 2022 ny volana janoary sy febroary lasa teo. Araka izany, miandry fandresena fatratra ny rehetra. Tsiahivina fa manana mpilalao avy ao amin’ny Atletico Madrid ny Les Fauves, i Goeffrey Kondogbia. Amin’ny 27 marsa ho avy izao ny lalao miverina hifanandrinan’ny Barea sy ny Les Fauves. Marihina fa niezaka nanamafy ny fahaiza-miaraka ny mpanazatra ny ekipa malagasy, Nicolas Dupuis, nandritra ny fanazarantena, omaly.
Fitia (Mpianatra asa)