Halatra zaza varira : avotra i Olivette, roa lahy voasambotra

Avotra teny amin’ireo olon-dratsy i Olivette, zazavavikely varira natao takalon’aina tao Ambalateza, kaominina Manantenina, faritra Anosy.

Nalaina an-keriny ny 10 febroary , avy eo tsy hita popoka intsony. Nisokatra taorian’izay ny famotorana. Fantatra fa nisy olona roa mivezivezy tao Taolagnaro mitady mpividy zaza varira. Natao ny vela-pandrika, tratra tao amin’ny fokontany, Lanirano ireo olon-droa voatondro ho mivarotra ilay zaza.
Mbola karohina ny namany telo hafa voasaringotra, amin’ity raharaha ity. Natao fanadihadiana ireo voasambotra. Nilaza izy ireo fa nafenina tany anaty ala ilay zazavavikely. Raikitra ny fidinana ifotony. Tonga tao amin’ilay toerana voalaza misy an’i Oli­vette, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, ny polisy.
Nafenina tao avaratry ny kaominina Enakara Ambony, ilay zazavavikely. Nisy ny fifandonana tamin’ny olon-dratsy. Vokany, voatifitra sy naratra taorian’ny fifanjevona ny jiolahy iray. Votsotra ny takalon’aina. Etsy ankilany, raisin’ny talem-paritry ny Filaminana ao an-toerana sy ny polisy ny fikarakarana an’i Olivette mandra-pahitana ny fepetra ho raisina.
Teny an-dalam-piverenena tao Enakara, voasakana in-telo ireo tomponandraikitra avy nanavotra ilay zaza. Voalaza ho nanafika tany an-toerana izy ireo ka voasakana tao amin’ny kaominina Esaka,sy Ifarahantsana ary Soanierana. Afaka nanohy ny diany kosa taorian’ny fifampiresahana natao. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa ilay lehilahy voatifitra no nanely vaovao tany an-toerana fa mpanao fanafihana ireo polisy namita iraka.

Henintsoa H.

 

Partager sur: