Imanitrala : miavaka hatrany ny horonantsary malagasy

Anisan’ny voafidy hiatrika ny “Festival international de cinéma vues d’Afrique” andiany faha-39 ny horonantsarin’i Edgar Ravahatra, notontosain’i Andry Ranarisoa, nampitondrainy ny lohateny hoe “Imanitrala”. Ho tanterahana any Montréal, ny 21 hatramin’ny 30 Aprily 2023 ny hetsika. Hasandratra mandritra izany tontolon’ny horonantsary aty Afrika sy ny Ranoma­simbe Indianina. Mpanaton­tosa sy mpamokatra horonantsary maneran-tany no ho tafahaona amin’io fotoana io.
Anisan’ny hisolotena an’i Madagasikara araka izany, ity horonantsary malagasy iray ity. Mahatratra 100 ny horonantsary haranty amin’io fo­toana io, horonantsary notontosaina sy novokarin’ny afrikanina avokoa.
Mitombo hatrany ny vahiny lina amin’ity horonantsarin’i Edgar Ravahatra, notontosain’i Andry Ranarisoa ity. Nampalaza azy voalohany ny fandrombahany amboara nandritra ny Madagascourt Film Festival ny taona 2020. Na­nomboka teo no nampalaza azy ka voaasa nandritra ny “festival des cannes” andiany faha-75 indray izy. Ankehi­triny, hiatrika ny “Festival international de cinema vues d’Afrique” indray izy. Tan­ta­ram-piainan’olona sy zava-nisy marina sy niavaka no nanaitra ny tompon’ny tantara ka navadiny ho horonantsary. Niezaka nitady karazana ho­ronantsary tsy mbola nisy nanao mihitsy ireto farany ka tonga tamin’izao vokatra tsy mitsahatra ny miabo izao. Inoana ny mbola hampitombo laza ity horonantsary ity aorian’io hetsika lehibe io. Maro mantsy ny mpandraharaha sy mpiantsehatra eo amin’ny horonantsary eran-tany no ho tonga ao amin’io hetsika io.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: