Tsiponin’ny dahalo tsikelikely! Maty voatifitry ny dahalo ny miaramila Kilasy faharoa, Duray, miasa ao amin’ ny compagnie d’infanterie 505 Ankazoabo, ny alakamisy lasa teo. Nitrangana halatra omby tany an-toerana ka nanara-dia ireo malaso ny zandary sy miaramila. Raikitra ny fifandonana teo amin’ ny mpanara-dia sy ireo dahalo tao amin’ny kizon’ Ankasina Iloto, distrikan’ Ihosy. Mafy ny fifandonana satria maty voatifitra teo amin’ny hatony i Duray. Nisy tamin’ireo dahalo koa no maty voatifitra sy naratra saingy nentin’ny namany nitsoaka sy afa-nandositra ihany koa. Navelan’ ireo dahalo ny omby ary efa naverina amin’ ny tompony. Nentina nihazo ny hopitalin’i Beroroka ihany ity miaramila niharam-boina ity saingy efa tsy avotra intsony ny ainy. Mandeha amin’izao ny fanenjehana ireo dahalo tafaporitsaka.
Vao tamin’ny herinandro teo no maty voatifitry ny dahalo koa ny zandary iray miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Menabe. Tratry ny vela-pandriky ny dahalo nandritra ny fifandonana tao Befasy Morondava izy.
J.C