Nogiazan’ny zandary: roa lahy nahatrarana rongony 287 kilao

Sendra ny mpitandro filaminana nanao fisafoana, noraisim-potsiny ny roa lahy nitondra rongony tamina gony maromaro tao Akiembe, seranan-dakana iray ao Toliara, ny talata lasa teo. Notanterina avy any amin’ny fokontany iray atao hoe Lanevato ireto rongony ireto. Efa nisy olona voatondro handray izany rehefa tonga tao Akiembe kinanjo tra-tehaka ireto entana. Niroso tamin’ny fisamborana ireto roa lahy avy hatrany ny zandary. Nogiazana avokoa ireo rongony nahatratra 287 kg. Andalam-pikarohana ireo mpandray ireto rongony ireto ny mpitandro filaminana ao an-toerana amin’izao fotoana . Marihina fa anisan’ny mampirongatra ny trangana tsy fandriampahalemana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.

Tsiferana R.

Partager sur: