Ratsiraka Annick: “Tsy mendrika antsika ny zava-misy”

“Tsy mendrika ny firenena sy ny vahoaka izao zava-misy izao. Anjaran’ny mpitondra ny mamelona ny vahoaka ao aminy. Manana tany manan-karena isika kanefa mahantra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, tetsy Antsahamanitra, omaly. Nanamarika ny tsingerin-taona faha-74 ity antoko naorin’ny amiraly Ratsiraka ity. Notsiahiviny fa efa tamin’ ny fotoan’ny boky mena no nilazan’ny filoha, nanoratra izany ny tokony hananantsika fahaleovantena eo amin’ny sakafo sy ny tokony hananana amby azo aondrana any ivelany.
Nanao antso ny mpanao politika koa ny tenany ny amin’ny tsy tokony hanaovana sorona sy fitaovana ny vahoaka. Handroso isika raha miasa, mikarakara ny vahoaka sy ny tanindrazana, araka ny nambarany. “Tsy tokony hanary toky fa ho afaka ao anatin’ny fahantrana tsy ho ela”, hoy ihany izy.
Nivoitra tamin’ny lahateniny fa anisan’ireo antoko enina matanjaka ny Arema ary namolavola, niara-niasa tamin’ ireo fitondrana nifandimby.

Synèse R.

Partager sur: