Judokas nanana ny toerany sady namiratra tamin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena, taranja Judo. Ravaoarisoa Naina Cecilia no anarany feno, 45 taona amin’izao ary mipetraka any ivelany. “Tsy voalohan-tsafidiko ny judo fa tsy voaray tany amin’ny “gymnastique” ny tenako dia nentin’i papako nanao judo tao amin’ny kliobany. Hitako fa tsy dia mifanalavitra loatra ny kotrana tamin’ny fanafanana tena ka nahafinaritra ahy dia nanohy aho”, hoy ny fitantarany ny niantombohany nanao Judo. Tamin’ny taona 1990 no nanomboka nanao Judo i Naina Cecilia ka anisan’ny fahatsiarovana tsara nanamarika azy teo amin’ity taranja ity, ny nahavoafidy azy tao anatin’ny ekipan’ny “Coopération Française, Union Africaine de Judo”, ka nahafahany nanao fitetezana sy fiofanana tany Afrika, Eoropa, Cuba ka nahatrarana ny tanjona teo amin’ny judo.
Tompondaka nasionaly nisesisesy
Anisan’ny nanamarika azy ny fandraisana anjara tamin’ny Lalao Olympika tany Sydney 2000 sy Athènes 2004. Teo ihany koa ny nitazonany aman-taonany maro nifanesy ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara. Ankoatra ny maha atleta “haut niveau” azy, mpanazatra nasionaly sy efa nitazona ny andraikitry ny tale teknika nasionaly i Naina Cecilia ary talem-panatanjahantena mpanampy ihany koa nandritra ny Lalaon’ny Nosy 2007. Efa niaraka tamin’ny “Le Marocain” nikarakara ilay hetsika “salon du sport” natao teto Antananarivo sy Mahajanga.
Niaraka tamin-dry Raoelison Vola sy ry Saïd Eric Bruno
Teo amin’ny sokajy Cadette dia efa nampifaninanana tamin’ny “senior” izy, niaraka tamin-dRabeantoandro Domoina, i Said Bruno Eric, Raoelison Vola, Lovasoa Arison André, Andrianaivonirina Anny, Ratsimbazafy Hanitra, Rasoanaivo Razafy Luc ary Rakotomalala Jean Jacques. Fianakaviana mpanao judo Ralevazaha ary samy Ceinture Noire daholo izy ireo. Nambarany fa tsara hoan’ny fahasalamana sy ho an’ny fivelaran’ny saina sy ny vatana ny spaoro. Betsaka ny zavatra hianarana ao anatiny araky ny taranja safidiana. Hafatra napetrany ho an’ny tanora mpanao spaoro dia ny tokony hananana fikirizana, fihafiana, “auto-discipline”, izay afaka hampiharina tsara amin’ny fiainana andavanandro ihany koa. Noho ny tsy fisian’ny “statut” ny atleta “haut niveau” eto Madagasikara dia tokony manana diplaoma amin’ny fianarana ny atleta tsirairay avy, hitsinjovana ny hoavy rehefa mijanona tsy mifaninana intsony. “Tombony manokana ho azy ny nanomezana fahafahana goavana tamin’ny asa tao anaty federasiona, tamin’ny taona 2005-2008, ka nanao izay azony natao tsara izy. ” Efa niova zavatra atao aho aman-taonany lasa izay”, hoy i Naina Cecilia.
Mi.Raz