Tsy nampoizin’ny rehetra ny niafaran’ny fihaonana teo amin’ny 3FB sy ny STM, omaly alahady. Lavon’ny ekipan’ny savony tamin’ny isa “moka fohy” 24 no ho 23 ny ekipan’ny fahasalamana. Lalao tafiditra amin’ny fifaninanana XXL Top 20, izay notanterahina teny amin’ny kianjan’ ny Makis Andohatapenaka. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, manatombo amin’ny traikefa ny 3FB saingy tombony ho an’ny STM ny hatanorana sy ny tanjaka. Ny ekipan-dRakotoarison José, mpanazatra 3FB no nitarika tamin’ny isa 15 no ho 9 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Tao anatin’izany ny baolina nentin-tanana nation-dRakotoarison Larkham, ( zanak’i José ) mpilalaon’ny 3FB, ny minitra faha – 32. Raha toa ka tamin’ny alalan’ny pénalté telo no nahazoan’ny STM ny isa ho azy. Naneho fahavonona ny handresy ny 3FB, ny fizaram-potoana faharoa saingy resin’ny savony ny farany noho ny fahavizanana nitambesatra tamin’ireo mpilalaon’ny fahasalamana, ka lasa 24 no ho 23 ny isa nentina nisarahana.
Marihina fa mbola niakatra kianja avokoa ireo mpilalao efa voky taona ao amin’ny ekipan’ny fahasalamana. Anisan’izany i Rija, i Rabiby, i Tolotra, Jhonny Be, i Rabe, i Alain kely.
Fitia (Mpianatra asa)