Simba ny any Mandraka : tapatapaka ny herinaratry ny Jirama

Tapatapaka ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo Renivohitra, tato ho ato. Araka ny fanambaran’ny Ji­rama, tsy tomombana ny milina mpamokatra herinaratra efatra any Mandraka. Nitarika ny filatsahan’ny vata mpanova herinaratra (transformateur) TR7 sy TR8 ao Ambo­himanambola izany. Vokany, tsy ampy ny tanjaky ny herinaratra vatsiana ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antana­narivo (RIA).
Talohan’izany, ny sabotsy 18 marsa teo, nilatsaka koa ny tanjaky ny herinaratra voka­rin’ny gropy faha-3 sy ny faha-4 ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka.
Raha aravona, misy tsy tomombana foana ny fama­tsiana herinaratra any amin’ireo toby mpamokatra. Ni­sehoana fahatapahana heri­naratra naharitra ny teto Antananarivo ny zoma alina, manodidina ny tamin’ny 9 ora alina.
Etsy ankilany, nisy lozam-pifamoivoizana an-dalamby nahatsiravina tany amin’ny toby Andekaleka, ny sabotsy 18 marsa teo. Telo ny namoy ny ainy ary mpiasan’ny Jira­ma roa no raisina an-tanana ao amin’ny Toeram-pitsaboana Andekaleka (antsipirihany Pejy 3).

Njaka A.

Partager sur: