Tsy tiana handova : nasain’izy mivady novonoina ny vinanto sy ny zafikelin’izy ireo

Naiditra am-ponja vonjimaika ny alakamisy teo ny rafozan’ilay ramatoa talen-tsekoly novonoina niaraka ta­min-janany, tao Antanimena, kaominina Manakambahiny Andrefana, distrikan’Amba­tondrazaka. Voasambotra ny herinandro lasa teo ny vavy antitra iray 66 taona sy rangahy vadiny 70 taona. Ahina ho atidoha nikotrika ilay vono olona izy ireo. Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny zandarimaria, tratra tao an-tanànany tao Antanambao Ma­nakambahiny Andrefana izy mivady ireto . “Izy ireo no ahina ho atidoha nikotrika ny famonoana ilay vinantovaviny sy ny zanany vavikely. Tsy tian’izy ireo handova izy mianaka ka naleon’izy ireo novonoina”, hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana.
Tsiahivina, nisy jiolahy efa-dahy lavon’ny zandary tamin’ity raharaha ity ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 11 febroary. Isan’ireo maty voatifitra ny lehilahy iray, efa niasa tao amin’izy mianaka. Niam­py namany telo hafa, niray tsikombakomba taminy.
Azo sambo-belona mialohan’izay ny lehilahy iray, nanoro ireo namany. Voa­sambotra izy efa-dahy saingy nandositra teny an-dalana. Voatery nanapoaka basy ny zandary, samy maty ireto olon-dratsy. Nanamparana zava-doza tokoa ity renim-pianakaviana ity noho izy niharan’ny fanolanana tambabe. Nikiaka nahita izany ilay zanany vavikely fito taona ka novoin’ireo tsy mataho-tody. Notaperina sy notsatohan’antsy koa ilay ramatoa talen-tsekoly taorian’izay.

Henintsoa Hani

Partager sur: