Ambalamanasy : ady tany niafara tamin’ny fifandonana, nandratrana olona

Raikitra indray ny fifandonana tao Ambalamanasy Toa­masina, ny alahady maraina teo, momba ny raharaha ady tany miseholany any an-toerana. Voalaza fa tsy misy fiafarany mihitsy ny raharaha ady tany ao Toamasina. Tsy misy fanapahan-kevitra matotra raisin’ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina II sy ny prefet ary ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina II, izay samy mangingina, manoloana ny disadisa eo amin’ny fokonolona sy olona iray malaza amin’ny fakana an-keriny tanin’olona. Nitondra andian-dehilahy tao Ambalamanasy, hanala ireo fokonolona mipetraka eo an-toerana, ny olona iray milaza fa tompon’ny tany. Tsy nanaiky lembenana ireo fokonolona ka raikitra teo ny fifandonana, niafara ta­min’ ny tora-bato sy vely kibay. Vokany, olona iray naratra mafy, rovitra teo amin’ny va­vany ka voatery nalefa notsaboina ao amin’ny Hopita­libe Toamasina. Nilaza mbola hiverina ireto andian’olona ireto ary sahy nihantsy mihi­tsy fa ho mafy kokoa ny fifandonana amin’izay fotoana izay. Raha tsy handray ny andraikiny ireo solontenam-panjakana ao an-toerana amin’ity raharaha ady tany ity, ho henjana ny raharaha ao Toa­masina. Manahy ny rehetra amin’ny mety hisian’ny faty olona raha tena tonga tokoa izay fotoana izay, araka ny fanazavan’ny solontenam-po­konolona, nandritra ny fitsaboana ny naman’izy ireo tao amin’ny Hopitalibe Toama­sina.

Sajo/J.C

Partager sur: