Escadron transport Arivonimamo: voatendry ho kaomandy vaovao ny Kly Raminosoa Fetra

Notontosaina ny zoma teo, teny amin’ny “Escadron transport Arivonimamo” na ny tobim-pamaharan’ny Tafika ana habakabaka 213. Roa sosona ny lanonana ara-miaramila tamin’izany.

Eo ny fandraisan’ny Kly Raminosoa Fetrarivony ny kaomandin’ny toby vaovao, ny fibaikoana ny “base aérienne 213”. Teo koa ny fanaovam-beloma ara-miaramila na “adieux aux armes” ny kaomandin’ny toby teo aloha, ny Kly Randriamampita Niainaharinjato, handeha hisotro ronono. Lanonana teo ambany fitarihan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Randria­narijaona Mamy, niaraka ta­min’ny mazaoro jeneralin’ny Tafika, ny Jly Assany Bema­rivo sady nisolo tena ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Delphin. Ny tafika ana habakabaka, anisan’ny manana anjara toerana lehibe amin’ny famonjena ny mpiray tanindrazana satria ity antoko Tafika ity dia nanatanteraka hatrany ny fanaovana “évacuation sanitaire” sy ny fitaomana ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ny traboina, noho ny fandalovan’ny rivodoza sy ny kere. “Zava-dehibe ny fotoana androany (tamin’ny zoma io) nametrahana ny kaomandin’ny toby fa­maharana izay manana an­drai­kitra goavana amin’ny fanohanana ireo miaramila an-tanety, fanampiana ireo tantsambo amin’ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny fari-dranomasina malagasy”, hoy ny Jly Randrianarijaona Ma­my. Nankasitraka ny kaomandy teo aloha izy sady nirary soa ny kaomandy vaovao amin’ny adidy sy andraikitra ho an’ny Tanindrazana. Tanjona, ny fanamafisana ny fanajana ny fitsipi-pifehezana amin’ny maha miaramila sy ny fifehezana ny tontolo “aéronautique”, ny fijerena akaiky ny fikarakarana ny toby Ivato, Arivonimamo, Antsohihy ary Ihosy, araka ny fanazavan’ny Kly Raminosoa Fetra. Have­rina koa ny fiaraha-miasa amin’ireo sivily mikirakira ny tontolo ana habakabaka, raha ny fanazavany hatrany.

Jean Claude

Partager sur: