Manodidina ny 15 000 ny karazam-biby ahina ho lany tamingana maneran-tany, raha ny fikarohana nataon’ny UICN (Union Internationale pour la conservation de la nature) tamin’ny 2022. Mahatratra 70% ny taham-pihenan’izany nanomboka ny taona 1970 hatramin’izao. Anisan’ny misedra olana ihany koa i Madagasikara. Toy ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahasimban’ny toeram-ponenan’ny zava-mananaina… Nanao diabe ho an’ny tany teny Andohalo, ny tanora maherin’ny 500 ny sabotsy teo, nankalaza ny “Journée mondiale du récyclage”, nomena ny lohahevitra hoe: “Adiny iray ho an’ny tany”. Tanjona ny handraisan’ny olon-drehetra andraikitra manoloana ny fahasimban’ny natiora.
Nisy ny fampirantiana momba ny fikajiana ny tany, ny fampianarana ny tanora momba ny tontolo iainana ary ny fanodinana plastika.
Fitsitsiana ny angovo azo havaozina “Mila manova ny fomba fiaina sy fahazarana miaraka amin’ny natiora ny tsirairay mba hamerenana ny tontolo iainana amin’ny laonina”, hoy ny mpiandraikitra ny Tily eto Madagasikara, Sefo Nambinina. Toy ny fitsitsiana ny angovo azo havaozina, ny fampihenana ny fampiasana ny akora plastika, ny fanamafisana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2007 tany Sydney ny fankalazana voalohany ny “Adiny iray ho an’ny tany”. Natsahatra nandritra ny ora iray ny fampiasana jiro isan-tokantrano. Niitatra manaren-tany ny hetsika hatraty Madagasikara ny 2017. “Namako ny taniko” ny lohahevitra natao teto amin’ny Nosy tamin’izany. Nandraisan’ny fikambanana 7 anjara.
*
Mino (mpianatra asa)