Fanafihana tokantrano nisy fahoriana : jiolahy roa lahy maty voatsatok’antsy

Nikorontana ny fiarahamonina tao amin’ny fokontany Tambohomandrevo-Fianaran­tsoa, omaly hariva. Nanafika tokantrano iray tra-pahoriana ny jiolahy roa lahy nirongo zava-maranitra tokony ho tamin’ny 4 ora sy fahefana teo. Niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo mpanafika ka nikendry ireo fao-dranomaso an’ireto tompom-pa­horiana. Nanohitra anefa ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’izay ireto mpanafika. Fokonolona miisa efatra ihany koa no naratra, vehivavy ny iray raha lehilahy kosa ny telo hafa. Samy naratra an’ilay tsatok’antsy ireto olona voalaza etsy ambony. Tao­rian’izay, nentina faingana te­ny amin’ny hopitaly izy rehe­tra raha manao famotorana momba ity fanafihana ity kosa ny polisim-pirenena ao an-toerana. « Tsy mbola misy ny voasambotra ary izy roalahy maty ireto ireo nahavanon-doza nanao ity fanafihana ity. Mbola manao ny fanadihadiana ny raharaha ihany koa izahay », hoy hatrany ny mpitandro filaminana.

Henintsoa H.

Partager sur: