Fanentanana ny mpifidy : hamory vahoaka eny Ambohimanarina indray ny Tim

Hitohy ny faran’ny herinandro izao indray ny he­tsiky ny antoko Tim. Hotan­terahina eny amin’ny tokotanin’ny depiote Andriamam­pandry Todisoa eny amin’ny boriborintany fahenina izany. Nambaran’ny depiote Razara Pierre “Del kely” tao amin’ ny fandaharana “Miara-ma­nonja-MM”, omaly, fa efa niantso ny eny anivon’ny distrika fahenina, amin’izao hetsika hatao izao ny depio­ten’Ambohimanarina. “Ho hita eo indray ny hataonareo Emmo/Reg. Tsy tokony hisehoana olana izany anefa fa ao an-tokotanin’ny depiote Todisoa”, hoy izy. Nohara­raotin’i Del kely nilazana koa izany fa efa manomboka hita taratra izany izao ny tena mpanohitra sy ny sadasada. Olana ho an’ny fanjakana ny Tim ka mila mijoro sy mitsangana amin’izany toeran’ny fanoherana izany, araka ny nambarany. “Aza taitra amin’ny akanga tsara soratra… “, hoy ihany izy.
Hamboly toe-tsaina feno lonilony sy valifaty

Notsiahiviny fa lasa mpa­nakatona vavahadin’ olona ny Emmo/Reg. Tsy miaro ny vahoaka sy ny fananany, manoloana ny tsy fandriampahalemana mahazo laka manerana ny Nosy. “Hanao demokrasia ve isika ity ary natao ho an’iza ny fahalalahana maneho hevitra ?” hoy izy. Nanteriny fa tokony hi­fanaja mba tsy ho tonga amin’ny fifandonana ka hiafara amin’ny faty olona, araka ny nambarany hatrany. “Ho vita hatreo ny ianareo mpitondra ary hiongana ka aza hafainganina ny fialanareo eo amin’ ny fitondrana. Ho avy ny fifidianana ka avelao haneho hevitra malalaka ny rehetra”, hoy izy. Natsidiny fa mba tsy ho tonga amin’ny fambolena toe-tsaina mie­trika lonilony sy valifaty ny raharaham-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: