Nisokatra, omaly, tany Montréal, Canada, ny “Festival international du cinéma vues d’Afrique”, andiany faha- 39. Mandritra ny folo andro no hanatanterahana ity hetsika lehibe ity. Ny 30 avrily 2023 no hanatontosana ny lanonam-pamaranana, hamantarana izay voafidy ho mpandresin’ity andiany ity. Fifaninanana ho an’ny horonantsary avy aty Afrika izy ity. Ny fikambanana Quebescor, miaraka amin’ny fikambanana Vues d’Afrique no mikarakara azy. Mahatratra 150 ny mpifaninana ao anatin’izany. Anisan’ny voafidy hifaninana amin’izany ny horonantsary nosoratan’i Edgar Ravahatra, notontosain’i Andry Ranarisoa, nampitondraina ny lohateny hoe “Imanitrala”.
Hetsika fanao isan-taona ny “Festival international du cinéma vues de l’Afrique”. Fifaninanana natao hampiakarana sy hijerena manokana ny talenta afrikanina. Miditra amin’ny andiany faha-39 ity hetsika lehibe ity. Mpanatontosa sy mpamokatra ary mpilalao sarimihetsika, avy amin’ny lafivalon’ny tany no ho avy ao. Tafatafa, fifanakalozana, fihaonana, atrikasa, fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, fandefasana horonantsary no hameno ny folo andro hanatanterahana ny “Festival international du cinéma vues de l’Afrique”. Anisan’ny voafidy ho mpiahy ity hetsika lehibe ity i Stanley Février, mpahay kanto plastika, sy i Halimatou Khalima Gadji, mpilalao horonantsary. Tombony lehibe ny fisian’ny hetsika sahala amin’itony, ahafahan’ny talenta vao misandratra ho hitan’ny mpanohana sy mpamokatra fanta-daza eran-tany. Ho an’ny horonantsarin’i Edgar Ravahatra sy Andry Ranarisoa, antenaina ny hisondrotany hatrany eo amin’ity sehatra ity.
Lin (Mpianatra asa)