Ny Malagasy, manana ny fombany ! Ezahina haverina sy hampahafantarina ny taranaka aty aoriana ireny fomba amam-panao ireny, amin’ny vanim-potoana lehibe tahaka izao. Fidiovana sy tsodrano. Ireo no anisan’ ny tanterahina anio sy rahampitso. Fidiovana eo amin’ny Malagasy tsirairay, eo amin’ny toerana sy ny faritra ary ny firenena iray manontolo. Tahaka izay ihany koa ny tsodrano izay omen’ireo raiamandreny.
Manana ireo zavaboahary (hazo, tany…), ahafahana midio ny Malagasy. Ireny no ampiasaina, raha ny fanazavan’ireo mpahay fomba amam-panao. Anisan’izany ny zavamaniry fanazava, mandravasarotra, sns. Ho an’ny toerana (tanàna, vohitra…) indray, nampiasa ny arendrina hoenti-manadio azy ireny ny Malagasy. Samy hotanterahina anio alina avokoa ireo. Rahampitso, izay Taombaovao malagasy kosa no handraisana ny tsodrano mba ho velon-kasina hatrany ny tsirairay.
HaRy Razafindrakoto