Judo-Rasoanaivo Razafy Laura: « Mila matanja-tsaina raha te hahazo fandresena »

Vokatra tsara ny azon’i Laura, judokas malagasy, tao anatin’ny herinandro. Mitantara ny niainany sy nanomanany ireny fifaninanana ireny izy.

Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny niatre­hana ny « Open d’Afrique de Tunis » sy « Coupe d’Afrique d’Alger »?

Rasoanaivo Razafy Laura (-) : Nahafinaritra ny niatrehana ny « Open d’Afri­que de Tunis » sy ny « Coupe d’Afrique d’Alger ». Sarotsa­rotra ny fifaninanana ka tsy maintsy nanome zato isan-jato mba hahazoana fandresena.

*Vokatra tena tsara ny azonao tao anatin’ny herinandro monja, ahoana ny nanomanana ireny?
– Tsy nisy kotrana be iray volana mialoha na hoe herinandro maromaro nialohan’ ny fifaninanana. Efa miko­trana matetika, miezaka ny ho “top” foana isan’andro ary miomana foana na misy fifaninanana na tsy misy.

* Inona ny tombony na­nananao nahazoana ireny vokatra ireny?
– Nampiavaka ahy ny fa­ha­mafisan’ny toe-tsaiko, niezaka ny ho mafy saina sy natanja-tsaina tsara aho nandritra ny fifaninanana natre­hana.

*Ny fahitanao ny judokas eto Afrika? Nanao ahoana ny nahitanao ny mpifanandrina?
– Ambony ny lentan’ ny Judokas eto Afrika ary tena amin’ny lentako tanteraka satria fantatro fa manana Judo tsara fototra. Ambony ny haavo teknikan’ny atleta na dia nisy ny tsininy kely aza.

*Inona ny fifaninanana manaraka hatao sy ny tanjona manaraka?
– Tanjoko manaraka ny ha­nohy ny fanazarantena, hanitsy izay lesoka tamin’ireny fifaninanana ireny. Mbola maro koa ny fifaninanana hatrehako, hahazoako ny ta­pakila amin’ny lalao Olym­pika 2024. Anisan’ izany ny “Open de Louanda”, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Seniors sy Juniors, ny lalaon’ ny Nosy ary ny fia­diana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy Juniors.
*Inona ny tokony hananana raha te hahita fahombiazana eo amin’ny fifaninanana?
– Ny toe-tsaina no zava-dehibe indrindra, tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny fifaninanana hatrehina raha tsy ambony ny toe-tsaina, na dia mikotrana foana aza. Misy foana ny “stress” fa ny fahaizana mandamina izany no maha tompondaka anao na tsia. Mahay ny mpanao fanatanjahantena malagasy fa mila ampiana, miezaka, tsy mijanona na sarotra aza.

Nangonon’i Mi.Raz

Partager sur: