Manomboka miditra amin’ ny fampivondronana ihany koa ny mpikatroka eo anivon’ ny taranja kick boxing, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Mbola mandeha tsikelikely anefa izany, noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly ny federasiona, i Anigael Gastros. Fanazarantena iraisana in-3 isan-kerinandro ihany aloha izao no hatao ary ireo atleta avy eto Analamanga no efa nanomboka izany eny amin’ny Club RKC Ivandry. Manome ny fanazarantena ny Tale teknika nasionaly miaraka amin’ ireo mpanazatra nasionaly. Hotanterahina any Antsirabe kosa ny “combat de défi” voalohany, hitsapana ireo mpikatroka, ny 2 avrily izao.
Tsiahivina, 43 mianadahy ny isan’ny mpikatroka manerana ny Nosy hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy.
Mi.Raz