Kolikoly: Very vola ny fanjakana amin’ny volamena

Tsy mazava ny fitrandrahana volamena eto Mada­ga­sikara, araka ny fahitan’ny Tranparency International azy. Raha ny fanadihadiana natao, dia sehatra iray anjakan’ny kolikoly sy varo-maizina ny volamena, ary mahafatiantoka ny fanjakana, satria “olom-panjakana ambony iha­ny no tompon’antoka amin’­izany”.

Tsy takona afenina intsony ny fisian’ny risoriso amin’ny varotra volamena. Rabenan­drasana Clément, iray amin’ireo nanao fanadihadiana nilaza fa “saika eto Antananarivo ireo goavana mpanangona volamena, indrindra ny Sinoa sy Karana, fa tsy ireo ihany akory no tompon’ny vola miasa. Mandeha ireo vola ireo amin’ny mpanangom-bokatra madinika, izay mividy volamena eto an-toerana”. Hita izany eny amin’ny toerana maro miantsoantso “mividy volamena”.

Vola very amin’ny fanjakana, famotsiam-bola, fa­nondranana an-tsokosoko toy ireny 73,5 kg tratra tany Afrika Atsimo ireny, efa tamin’ny 2020, saingy tsy hita izay tohiny. Tonga ha­trany Dubaï ny maro.

Miroborobo ny kolikoly amin’ny volamena amin’ny ankapobeny, ary tsy miafina amin’ny fanjakana izany.

Ndrina

Partager sur: