Maro ny fitrandrahana gaboraraka ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Manamarina izany ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any Maevatanana, nahatraran’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany mpitrandraka vahiny tao amin’ny reniranon’i Kamoro, any amin’ny kaominina Marokoro.
Nidina ifotony tany amin’ny faritra Betsiboka ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), ny 17 marsa teo. Niaraka tamin’ izy ireo koa ny fitantanam-paritra DIRMRS Mahajanga sy ny Birao mitantana ny harena ambanin’ny tany (Bam) Maevatanana, notronin’ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany. Tratra tany Marokoro ny vahiny tera-tany sinoa miisa telo, teo am- pitrandrahana tsy ara-dalàna volamena tao amin’ny reniranon’i Kamoro, tany Madisovato, kaominina Marokoro, distrika Maevatanana, ny faran’ny herinandro teo.
Mampiasa fitaovana vaventy ireo vahiny, toy ny sambo ahitana milina manivana volamena, « drague à godets », « tapis », mandeha amin’ny solika, « excavateur ». Hita tany an-toerana koa, fa nampiasa akora merkiora izy ireo, izay voararan’ ny lalàna, satria mitera-doza ho an’ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.
Karohina ny tena atidoha
Ho an’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, harem-pirenena tsy azo havaozina ny harena ambanin’ ny tany, ka tsy azo ekena ny fandrobana sy ny tsy fanarahana ny lalàna manan-kery.
Nandray fepetra ny MMRS, ka natsahatry ny Polisin’ny harena an-kibon’ ny tany ny asa fitrandrahana volamena. Nesorina ny kojakoja tsy ahafahan’ilay fitaovam-pitrandrahana mihodina intsony. Nogiazana koa ireo fitaovana nampiasaina sady nosamborina hatao fanadihadiana ireo teratany vahiny tompony. Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana, satria tanjona ny hamantarana sy hahitana ny tena tompon’andraikitra sy atidoha ao ambadiky ny tambajotra mitrandraka sy manondrana antsokosoko ny harem-pirenena, toy izao.
Nisy fitrandrahana vaventy hafa
Ankoatra ny tany Madisovato, nisy toeram-pitrandrahana vaventy hafa koa tratra tao amin’ny kaominina Marokoro ihany. Nogiazana avy hatrany koa ireo fitaovana.
Mazava ny paikadin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Ifantohana ny fidinana ifotony sy ny fanaraha-maso ary ny fampanarahan-dalàna ireo mpisehatra, mba hisitraka tombony avy amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany ny mpitrandraka, ny mpandraharaha, ny mponina, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary ny fanjakana foibe.
Njaka Andriantefiarinesy