Voahosotra ho tompondakan’ny fifaninanana “6 Nations”, taranja rugby, ny Trèfle Irlandey. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 29 no ho 16 ny XV de La Rose, Angletera. Lalao notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ ny Aviva Stadium Irlande. Tsy resy mihitsy ny ekipa irlandey tamin’ity fifaninanana ity. Araka izany, inefatra voahosotra ho tompondakan’ny « 6 Nations » i Irlande, ny taona 1948, 2009, 2018 ary 2023. Eo amin’ny laharana faharoa kosa ny XV de France, nandresy ny Pays de Galles, tamin’ny isa 41 no ho 28, tao amin’ny Stade de France. Indray mandeha lavo nandritra ny lalao dimy nataony ny Frantsay ary ny Irlandey no hany nampiondrika azy ireo. Manana fanantenana ny haka ny amboara eran-tany “Mondial 2023” hatao any Frantsa, ny 8 septambra hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao, ny XV de France.
Fitia (Mpianatra asa)
Filaharana
tamin’ny fifaninanana
“6 Nations” :
Irlande (27 isa)
Frantsa (20 isa)
Ecosse (15 isa)
Angleterre (10 isa)
Pays de Galles (6 isa)
Italia (1 isa)