Efa am-perinasa ny Teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto amintsika.
Efa tomombana ny lafiny teknika rehetra ary mizotra amin’ny tokony ho izy ny asa.
Nidina tetsy Anosy nijery ny fizotran’ny asa fametrahana ny teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, omaly. Eo no hipetraka ny fiantsonana iray handraisana ity teleferika ity. Ho lasa maoderina sy hanova ny endriky ny tanàna ny fijoroan’izany eo.
Eo amin’ny Garan’i Soarano sy Anosy no ampahany lehibe indrindra amin’ny asa fanamboarana ny teleferika. Ireo no ampifandraisina ka ahitana pylone 7 mihazona azy ireo
Efa an-dalana ho tonga eto Madagaskara ireo andry vy goavana hitondra ny teleferika ireo.
Vita alohan’ny lalaon’ny Nosy ny fotodrafitrasa. Hafainganina ny asa ka telo volana no faharetany. Nahafahana nanaja ny fepetra takin’ny mpamatsy vola ny fanafarana ireo fitaovana tsy maintsy nafarana avy any ivelany, hoy hatrany ny avy ao amin’ ny SENVH.
Efa feno avokoa ny fepetra rehetra hanatanterahana ny asa. Miala eo Soarano mankeo amin’ny Henri Fraise dia tonga eo amin’ny Chambre de Commerce, La City Ivandry ary mifarana eo amin’ny Coliseum ny zotra iray.
Hifameno amin’ny fitaterana lamasinina an-tanàn-dehibe ity fotodrafitrasa ity. Mandrindra ny fivezivezena eto Antananarivo. Iarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa ny fandrindrana indray ny zotran’ny taxi-be.
Efa tokony ho am-perinasa ny lamasinina sy ny teleferika any amin’ny volana aogositra na septambra, raha ny nambaran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard.
Tatiana A