Teknika famonoana afo : mpivarotra hani-masaka 82 nahavita fiofanana

Niofana mikasika ny teknika famonoana afo sy ny vonjy taitra mila hatao rehefa sendra loza ireo mpivarotra sakafo masaka eto Antana­narivo Renivohitra. Nano­fana azy ireo ny ekipa avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana, nampahafantatra ny tokony hatao mandritra ny loza.
Nandritra ny 4 andro ny fiofanana mba hanomanana tsara ny mponina amin’ny fiatrehana ny firehetana sy hifehezana izany. Nifan­dimby tamin’ny fampiana­rana ara-teorika sy ny fampiharana ireo mpandray anjara, ary niafara tamin’ny fanadinana ho an’ireo afaka.
82 ny mpandray anjara na­havita ny fiofanana, izay efa vonona hiditra an-tsehatra raha sendra misy loza.
Tsara lavitra anefa ny fi­sorohana ny loza sy ny fahamailoana tsy hisian’ izany. Hitohy ny fanaovana ireo fiofanana samihafa ho fanamafisana ny fiarovana ny mponina eto Antanana­rivo.

Tatiana A

Partager sur: