Tsy fandriampahalemana: mirongatra ny asan-dahalo any Menabe

Tsy milamina ! Miron­gatra ny asan-dahalo mampijaly sy mampitoreo ny mponina any Menabe. Anisan’izany ny na­hafatesana zandary iray tany amin’ny kaominina Be­fasy, Morondava raha ny tapany atsimo. Mavaivay koa ny tsy fandriampahalemana ho an’ny any avaratra. Nisehoana « Kid­napping » ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina Tsara­hotana, Belo Tsiribihina. Na­laina an-keriny ireo olona roa niasa tanimbary amin’ny atoandrobenanahary.
Nanaitra ny maro ihany anefa izany satria ahitana « Poste avancé » an’ ny zandary ao an-toerana. Tsy ampy ve ireo mpitandro filaminana sy ny fitaovana sa variana izy ireo ? Sa tena misy firaisana tsikombakomba ?
Voalazan’ny loharanom-baovao fa mitaky vola 10 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny, ary mbola tsy tafaverina ireo olona roa ireo ny alakamisy teo. Mitaraina sy manao antso amin’ny tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny ny fianakaviana, fa mafy ny manjo azy ireo.

Etsy andaniny, mampiahiahy ny fahitana ben’ny Tanàna roa lahy, avy any Tsimafana sy Tsarahotana nahatrarana basy tsy ara-dalàna, nahazo fahafahana vonjimaika.

Manaitra ny tomponandraikitra isan-tokony ny mponina, manoloana izany.
Tsiahivina fa anisan’ny tsy afa-bela amin’ny efa nisehoan’ny fakana an-keriny sy ny halatra taova na maso tany amin’iny faritra Menabe iny. Anisan’izany ny tao Mahabo. Mbola miverina mahazo faka indray izany izao ity resaka “Kidnapping” ity.

Synèse R.

Partager sur: