« Andron’ny ala » : anisan’ny tsindry manimba ny ala ny fifindra-monina

Natokan’ny Firenena Mi­kambana (ONU) hankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala ny 21 marsa. Nana­marika izany koa i Madagasi­kara, ka natao tany amin’ny foiben’ala any Manankazo Anka­zobe ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy, omaly. Lohahe­vitra noraisina ny hoe : «Ny ala sy ny fahasalamana». Nisy ny fambolena volobe manamorona ny renirano, sady nanara-maso ny fambolen-kazo natao tany aloha.
Ankoatra izany, nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony tany Roma Italia, no­karakarain’ny FAO, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Rtoa Vina Marie-Orléa. Nohazavainy ny maha zava-dehibe ny ala sy ny paikady ataon’ny firenena tsirairay, hiarovana ny ala sy ny harena voajanahary ao aminy. Manan-karena ara-boajanahary i Ma­dagasikara, saingy misedra olana toy ny firenena rehetra ny ala, vokatry ny tsindry mianjady aminy. Anisan’izany ny fi­findra-monina, miteraka ny fahapotehan’ny ala, ny doro tanety sy ala ary ny tavy.
Ny 10% sisa ny ala

Paikadin’ny fanjakana ny fambolena hazo 75.000 isan-taona, handrakofana ala an’i Madagasikara, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny tsy miankina. Eo koa ny fampitomboana ny faritra arovana mirefy 6 tapitrisa ha ny an-tanety.
Nilaza ny tale jeneralin’ny FAO, QU Dongyu fa mahavelombolo ny mahita tanora maro mandray andraikitra, ankehitriny, miaro ny ala. « Mila mamboly hazo betsaka ny tanora », hoy ihany izy.
Misy karazany efatra ny ala eto Madagasikara. Ny ala tsilo, ny ala mando, ny ala maina ary ny ala honko. Ny 10%-n’ny velaran-tany eto amintsika sisa no misy ala satria naripaky ny olombelona, tombanana manodidina ny 8 tapitrisa ha.

Njaka A.

Partager sur: