Antsirabe : nodinihana ny fitantanana ny akora simika

Natao tany Antsirabe tamin’ny herinandro iny ny atrikasa miompana amin’ ny fandaharanasam-pirenena momba ny fitantanana ara-drariny ny akora simika eto Madagasikara. Nandray anjara tamin’izany ny ivontoe­ran’ny fanaraha-maso mi­sahana izany .
Andrasana aorian’ny fi­kaonandoha ny drafitrasa mazava izay azo hampiharina hatramin’ny taona 2030. Tsy ny rehetra no mahafehy ny fitantanana ny akora simika izay tena saropady fa ireo manana fahaizana manokana sy nahavita fiofanana momba izany.
Maro ireo akora simika mitera-doza ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Izany indrindra no antom-pisian’ny sampana mpanara-maso.
Marolafy ireo sehatra niara-misalahy tao anatin’ny komity nanao ny atrikasa. Nitarika izany ny minisite­ran’ny Tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy ary ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ny tantsoroka ny mpanohana ara-teknika sy ara-bola, ny fikambanana maneran-tany misahana ny fahasalamana.
Tsiahivina fa andraikitry ny ivontoerana mpanara-maso ny akora simika ny manangona, manadihady, manaparitaka ireo antontanisa sy antontam-baovao mikasika ireo akora simika ireo.

Tatiana A

Partager sur: