Depiote Randrianasolo Nicolas: «Tokony hamory ny mpanao politika ny FFKM»

“Ny FFKM no tokony hotenenin’ny fitondram-panjakana hiantso sy hamory ny mpanao politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Ran­drianasolo Jean-Nicolas. Mia­raka amin’ny raiamandreny ara-drazana sy ny raiaman­dreny ara-tantara ny FFKM amin’izany. Rehefa tsy mety amin’ny fitondram-panjakana ny zavatra tenenin’ireo mpanao politika fa hita tokoa fa fitadiavan-tseza, eo vao tokony hanapahan-kevitra na tsia ny amin’izany.
Tokony hihaino an’ireo mpanao politika rehetra ireo ny mpitondra. Efa tsy tokony hisy olana intsony i Mada­gasikara. Satria mijaly ny vahoaka, indrindra ny ao Betroka. Izao aza tany misy fanjakana, mijaly sy sahirana ny ao Betroka. Izay nangatahana tamin’ny fitondram-panjakana nifandimby, ohatra: tsy misy fanampiana tena hoe maharitra mba hiainan’ny olona. Tsy mankasitraka ny hisian’ny krizy indray eto Madagasikara izy, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: