Sady nafatotry ny olon-dratsy ny mpiambina roa lahy no novakiany ny tsena, omaly maraina. Tonga ara-potoana ny polisy. Raikitra ny fifampitifirana, maty ny mpanafika roa.
Trangana fanafihana intelo nisesy no niseho tao Toamasina tao anatin’ny andro vitsy. Samy nifanehatra tamin’ny polisin’ny Fip, notarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules avokoa ny olon-dratsy. Ny alatsinainy misasakalina teo, tao amin’ny fokontany Tanambao V, jiolahy efatra nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika nanafika tranombarotra iray, mpanafatra entana efa niasa avy any ivelany. Nofatoran’ireo jiolahy ny mpiambina roa lahy. Taorian’izay nikasa hanokatra ny magazay ry zalahy, tonga tampoka ny polisy. Nanohitra izy efa-dahy, raikitra teo ny fifampitifirana. Nifamaliana ny tifitra. Tsy naharesy tosika ny polisy ny jiolahy. Maty voatifitra ny roa lahy, tafatsoaka niaraka tamin’ny basy ny roa lahy namany. Fantatra tamin’ny fijerena ny fatin’ny jiolahy fa efa mpiasa tamin’ilay tranombarotra lasibatra izy ry zalahyo. Mbola hita niparitaka teo amin’ny toerana nisian’ny fifampitifirana ny entana halatra.
Vehivavy voaroba
Norobain’ny jiolahy teny an-dalana hamonjy fodiana, ny alatsinainy hariva teo, ny renim-pianakaviana iray. Vadin’ny mpanolotsaina teknika iray ao amin’ny governoram-paritra Atsinanana sady filohan’ny ligin’ny kick boxing izy. Niseho tao Andranomadio ny fanafihana. Voalaza fa jiolahy eo amin’ny 20 eo no nisakana azy sady nandrahona tamin’
ny basy. Lasan’izy ireo ny moto sy ny poketra niaraka tamin’ny finday avolenta ary vola 1 tapitrisa Ar. Hita tany Ankirihiry ny poketra niaraka tamin’ny kara-panondro sy taratasy hafa.
Nifanehatra tamin’ny jiolahy tao Tanamborozano koa ny mpianatra iray hamonjy fianarana, afakomaly. Nalain’ ireo jiolahy ny kapany niaraka tamin’ny finday. Noteren’izy ireo hilaza ny kaonty miafina an’ilay finday ilay mpianatra mba hakany ny vola ao anatiny.
Sajo/J.C