Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Agnambia, kaominina ambanivohitra Ampataka, distrika Vangaindrano, ny alahady teo. Niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ny andian-jiolahy. Fito lahy nirongo basy sy zava-maranitra izy ireo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Nanampatra herisetra ireto olon-dratsy ka nandratra azy telo mianaka. Vokany, maty tsy tra-drano voafira antsy tamin’izay ny renim-pianakaviana iray 25 taona. Tsy nanànan’ireo jiolahy antra ihany koa ny vady aman-janany ka samy nofiraina zava-maranitra avokoa. Nandriaka tanteraka ny ra. Naratra mafy teo amin’ny lamosiny sy ny tanany ilay raim-pianakaviana 36 taona. Toy izay koa ilay zanany kely vao herintaona sy enim-bolana monja. Tsy vitan’izay fa mbola nandroba vola 3 tapitrisa Ar tamin’ity ankohonana mpividy vovo-bolamena ity koa ny jiolahy. Lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ireo vovo-bolamena milanja 10 grama. Avy eo, nitsoaka nandositra ireto mpanafika. Minitra vitsy taorian’io, tonga teny an-toerana ny zandarimaria nanao famotorana. Ireo naratra kosa nalefa vonjimaika tany amin’ny hopitaly Salfa ao Manambaro-Vangaindrano. Ankehitriny, “misy ny olona voarohirohy tamin’ity fanafihana ity. Misy amin’izy ireo olona avy eto an-toerana ihany raha avy amin’ny faritra manodidina kosa ny hafa”, hoy ireo mpanao famotorana. Notohizany fa manenjika azy ireo ihany koa ny mpitandro filaminana amin’izao.
Henintsoa Hani