Anisan’ireo nisintaka, nivoaka ny efitrano fivoriana teny Alarobia, afakomaly, ny avy amin’ny antoko Malagasy miara-miainga. Mazava ny nambaran’ny solontenan’izy ireo, ny Me Rakotomalala Rija momba izany. “Tokony hapetraka sy faritana tsara ny fandaharam-potoana ka eken’ ny rehetra sy iarahana tapahana vao miditra amin’ny fitsirihana ny rindrambaiko momba ny lisitry ny mpifidy, momba ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana”, hoy izy. Tahaka izany koa mba ho tenierana ireo asa rehetra tokony hatao amin’ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa mandalo dingana aloha ny fitsirihana ilay rindrambaiko hanaovana ny fanavaozana ny lisitra io.
Mbola anatin’ny fandraisana anarana izao
Mbola anatin’ny fandraisana anarana ireo mpifidy eny anivon’ny fokontany koa ny Ceni amin’izao fotoana izao. “Tokony lisi-pifidianana efa nofaranana na vonjimaika aza aloha no anaovana fitsirihana fa tsy lisitra mbola ampidirana anaran’olona tahaka ny atao amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy.
Araka izany, andrasana indray ny dingana manaraka hataon’ny Ceni, amin’ny alalan’ilay fihaonambe iantsoana ny mpisehatra amin’ny fifidianana rehetra, ny zoma izao.
Synèse R.