Fiahiana ara-tsosialy : nandresy tamin’ny fifaninana Ravalison Lira Mejatiana

Nandresy tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Cipres (Conférence Interafri­caine de la prévoyance sociale), ny novambra teo, i Mada­ga­sikara. Niompana tamin’ny fampiroboroboana ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny fi­renena 17 mpikambana ao amin’ny Cipres ny fifaninanana. Nandrom­baka ny laharana faharoa tamin’izany Ravalison Lira Mejatiana, Malagasy nandray anjara. Natolotra omaly, tetsy amin’ny foibe Cnaps (Caisse nationale de la prévoyance sociale) ny mari-pankasitrahana ho azy. Anisan’ny nahazo fankasitrahana ny to­han-kevitra nataony. Mampi­voatra ny psikolojian’ireo mpikambana manoloana ny fiahiana ara-tsosialy.
«Tombony ho an’i Mada­gasikara ny fandresena toy izao satria ahitan’ny olona sy ny firenena maro samihafa fa manana olona mahay isika eto amin’ny Nosy», hoy ny minisitry ny Asam-panjakana, fampananan’asa ary ny lalàna sosialy, Rivotiana Richard Jean Bosco.
Mbola tsy feno ny tolotra momba ny fiahiana ny lafiny sosialy raha ho an’i Madaga­sikara. Tsy mbola misy ny tohana ho an’ireo tsy an’asa. Betsaka ny tahan’ny sehatrasa tsy ara-dalàna ka mahatonga ny fahasahiranana ara-toekarena ho an’ny firenena. An­koatra izay, tsy resy lahatra amin’ny fampiasana ny fiahiana ara-tsosialy ny tanora latsaky ny 40 taona,araka ny fikarohana na­taon’ny mpandresy. “Tsy marisika ny mpiasa hanao ny fiahiana ara-tsosialy, tsy fantatr’izy ireo ny tombontsoa azo avy amin’izany”, hoy ny mpan­dresy, laharana faharoa tamin’ny fifaninanana, Ravali­son Lira Mejatiana.

Mitondra ainga vao

Manoloana ireo olana samihafa eny anivon’ny orinasa, manatsara ny fiahiana ara-tsosialy ny voka-pikarohana toy izao. Nilaza ny minisitra fa havaozina sy hitarina ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fiahiana ara-tsosialy eto amin’ny Nosy. Nohamafisiny fa tsy maintsy atao ho an’ny mpiasa rehetra ny fampiharana izany. Hisy ihany koa ny fanentanana ny olona hanaja sy hanatanteraka izany.

Mino (mpianatra asa)

Ravalison Lira Mejatiana, 31 taona. Mandranto sampam-pianarana maro samihafa eo anivon’ny sekoly CNTMAD Antananarivo. Toy ny Psy­cho­lo­gie, Ressources Humaines, Communication. Ma­marana ny Master II izy amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, sady niasa izy no nianatra nandritra ny asa fikarohana nataony. Tsiahivina fa izy irery ny Malagasy nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity.

Partager sur: