Fifaninanana literatiora : navoaka ho boky ny sanganasan’ireo mendrika

Nomarihina omaly 21 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Maro ireo hetsika nentina nanamarihana izany. Niavaka kosa ny lanonana tetsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, satria nampahafantarina omaly ny fivoahan’ireo boky, sanganasan’ireo mendrika, indrindra tamin’ilay fifaninanam-pirenena momba ny literatiora. Nentina nanamarihana ny «Iray volan’ny teny malagasy» ny volana jona 2022 ny fifaninanana, ka nambara tamin’izany fa anisan’ny lokan’ireo voalohany isan-tsokajy ny hamoahana ny sanganasan’izy ireo ho boky.
«Bitsiky ny vitsika», boky mirakitra ireo asa soratr’i Andry Elrà no voalohany teo amin’ny sokajy amboaran-tononkalo. «Ody Faty» asa soratr’i Ny Rovako Randria­manalina kosa ny teo amin’ny sokajy tantara foronina. «Nofy Ratsy… Nofy Tsara» noso­ratan’Andrianimerina Ho­biana kosa ny teo amin’ny sokajy Sombintantara. «Vo­no­na hatrany ny minisitera hanohana, hanosika ireo mpikanto, mpanoratra, mpiangaly ny asa soratra malagasy amin’ny alalan’ireo fandaharanasa samihafa efa napetraka hatramin’izay», hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, nandritra ny lahateniny. Nisy ny fiantsana nataon’ireo poeta, nandravaka ny lano­nana.

Hatrany amin’ny faritra
Maro ihany koa ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny poezia, tany amin’ny faritra. Anisan’ny niavaka ny tany Bongolava, izay nifototra tamin’ny lohahevitra “Ny poeta sy ny hatsaran-tarehy”. Niara-nifarimbona tamin’ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina ny Faribolana Sandratra, ka nisy ny velakevitra, fampirantiana sora-piainan’ny mpanoratra, varotra fampirantiana boky, sns, nandritra izany. Tonga nifanotrona teny an-toerana ry Riam­bola Mitia, Tahirintsoa, Avelo Nidor, samy mpiray faribo­lana.

Zo ny Aina

Partager sur: