Nampihetsi-po! Natao, omaly, tao Ambanitsena Ambalavao ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny G2C Sedrick Nantenaina na i Jao. Nitarika izany ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Fianarantsoa niaraka tamin’ny ben’ny Tanànan’Ambalavao, Randrianirina Yves Georges ary ireo mpiara-miasa aminy. Nanaovana fotoam-bavaka nitrotroana am-bavaka ny fanahiny tao amin’ny Ekar Md Joseph izy, alohan’ny hanitrihana azy any amin’ny fasan-drazany ao Lahoany, kaominina ambanivohitr’ Ambinanindovoka, distrikan’Ambalavao. Namoy ny ainy ho an’ny Tanindrazana ny 8 marsa 2023 lasa teo izy niaraka tamin’ny lehiben’ ny distrikan’Ivohibe, rehefa nentin’ny rano teo amin’ny radier.
Jean Claude