“Iray volana ho an’i Gabhy” : famelabelarana ny tohin’ny hetsika

Tontosaina anio eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny hetsika “Ny sora-piainan’i Gabhy”, hetsika tafiditra ao anatin’ny “Iray volana ho an’i Gabhy”. Famelabela­rana sy fampahafantarana ny nodiaviny tamin’ny fiainany no hatao amin’izany. Ny minisiteran’ny Serasera sy ny ko­lon­tsaina, miaraka amin’ny Fikam­banan’ny Mpikanto teny sy soratra malagasy na FMTS no mikarakara ny hetsika. Ny volana marsa iray manontolo izay natokan’ny minisitera ha­hatsiarovana an’i Ghaby na Rabehasina Gabriel.
“Ireny hirantsika ireny… vetsom-po mamelovelo”. “Maty namela mamy”. Io no mahalaza ity kintan’ny haikanto malagasy ity. Rabeha­sina Gabriel na Gabhy, izay mpanakanto feno satria sady mpihira no mpamoron-kira. Ankoatra izay, nanoratra to­nonkalo ihany koa izy. “Tsara ny hahafantaran’ny tanora ankehitriny ny tantaran’ny kintan’ny haikanto malagasy sahala amin’itony mba ho fa­kan-tahaka ho azy ireo sy ha­hafantarany ny zava-bitan’izany kintan’ny kanto malagasy izany”, hoy Rakoton­dra­zafy Andriantongarivo Lala­tina, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, taorian’ny hetsika fampirantiana an-tsary ny fiainany, indrindra ny teo amin’ny maha mpahay kanto azy. Hotanterahina anio ny fa­melabelarana momba ny sora-piainany. Ho hita ao ny dingam-piainana sy ireo sedram-piainany. Anisan’izany ny teo anivon’ny tokantranony sy ny teo amin’ny kanto. Ankoatra ireo, hisy ihany koa ny seho an-tsehatra sy ny hetsika maro sa­mihafa.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: