Iray andro mialoha ny lalao mandroso hikatrohana amin’i Centrafrique ny Barea de Madagascar, anio. Vonona ny ekipa roa tonta hiatrika izany. Hitantana ny lalao ireo mpitsara avy any Rwanda. Avy atsy Maorisy ny “commissaire au match”.
Hitantana ny fihaonana eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves du Bas-Oubangui avy atsy Centrafrique, ireo mpitsara 3 mirahalahy avy atsy Rwanda. Fihaonana mandroso hotanterahina etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, rahampitso alakamisy, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2023”, sokajy “E”. I Samuel Uwikunda, ny eo afovoany, i Dieudonné Mutuyimana sy i Justin Karangwa kosa ny eny amin’ny sisiny roa. “Commissaire au match” ilay teratany maorisianina, i Ahmad Nazeer Hossen Bowud. Mpitsara fahefatra i Moses Ojwang Osano, avy any Kenya.
Ankoatra izay, tonga omaly tolakandro teto Madagasikara, ny delegasion’i Centrafrique. Nanambara ny fahavononany handresy ny Barea eto an-taniny ny mpanazatran-dry zareo Les Fauves. Saika mpilalao avy ao Centrafrique ny mandrafitra ity ekipam-pirenen’i Centrafrique ity. Na izany aza, misy ihany ireo mpila ravinahitra milalao any Eoropa ka anisan’izany i Geofrey Kondogbia, ao amin’ny Atletico Madrid, Espaina.
Raha ho an’ny Barea de Madagascar, efa tonga omaly i Boto Kenji Van, i Ouassiero Sylvio, i Jeremy Morel,
i Rayan, i Loic Lapoussin. Anio kosa vao ho avy i Bertrand Dorian.
Hifandimby hitsapa ny kianja ny ekipa roa tonta, amin’ity alarobia ity ka hisantatra izany ny Centrafrique, manomboka amin’ny 4 ora folakandro. Amin’ny 5 sy fahefany kosa ny an’ny Barea de Madagascar. Tsy azon’ny rehetra atrehina izany fanazarantenan’ny ekipa roa tonta izany. Samy hialohavan’ny resaka hifanaovan’ny mpanazatra roa tonta amin’ny mpanao gazety, izany.
Tsiahivina fa hanomboka amin’ny 4 ora folakandro ny lalaon’ny roa tonta, rahampitso alakamisy.
Tompondaka