Krizy sosialy : vahaolana ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy famahana olana sosialy ny sehatra tsy miankina. Manoloana ny krizy goavana lalovan’ny firenena malagasy, manan-danja ny fijerena akaiky ny olana sedrain’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny.
«Ny sehatra tsy miankina sy ny mpandraharaha no afaka ma­morona asa. Rariny sy hitsiny izany raha atao ho vaindohan-draharaha. Izay indrindra no anisan’ny iraka manokana hosahaniko amin’izao fotoana izao. Iraka goavana tsy maintsy vitaina», hoy Raharinirina Bao­miavo­tse, mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena, miandraikitra ny lafiny ekonomika sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.
Anisan’ny sehatra hilofosany ihany koa ny fampirisihana ny vehivavy, hirotsaka an-tsehatra misimisy kokoa. Navoitrany izany taorian’ny hetsika manokana nataon’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara na ny hetsika «SAFE 2023», natao tetsy Ivandry ny 17 hatramin’ny 19 marsa lasa teo. «Zava-dehibe ny firotsahan’ny vehivavy amin’ny sehatry ny fandraharahana satria manampy azy ho mpandray anjara feno amin’ny fampivelarana ny ankohonany izany. Miitatra tsikelikely eny anivon’ny fiarahamonina ka mipaka hatrany amin’ny firenena izany», hoy hatrany izy. «Mpisehatra fototra amin’ny fampandrosoana ny vehivavy maneran-tany. Mendrika ny fanohanana sy fampirisihana izy ireo. Sady fitaratra ho an’ny taranaka, mamelona ny toekaren’ny taninjakana», hoy izy namarana ny resaka.
Marihina fa anisan’ny mitana andraikitra goavana amin’ny fampihodinana ny toekarena ma­neran-tany ny vehivavy.

Randria

Partager sur: