Niainga omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, hihazo ny faritra Amoron’i Mania, distrikan’i Fandriana niaviany, ny nofo mangatsiakan-dRakotonirina Désiré na i Dezy Monstre, kintan’ny baolina kitra malagasy. Mialoha izany, nisy ny fanolorana mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National Malagasy» azy. Nitarika izany i Haja André Resampa, minisitry ny Fanatanjahantena sy Andrianony Victorien, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny miaramila.
Taorian’izany, nanolotra ny teny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny fanjakana sy ny olona rehetra nampahery ny ankohonan’i Dezy ny solontenan’ny fianakaviana. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo miaramila dia ahitana tombontsoa ny fahazoana ny « Chevalier de l’Ordre National Malagasy ». Anisan’ izany ny fisitrahan’ny vadin’ Itompokolahy Dezy ny 5% ny fisotroan-drononony. Tsiahivina fa mpilalao baolina kitra nanamarika ny taona 70 sy 80 Rakotonirina Désiré ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Club M ny tenany.
Fitia (Mpianatra asa)