Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antsiranana ireo olona 15 vosaringotra tamin’ilay fanondranana olona antsokosoko tatsy amin’ny nosy Mayotte. Olona efatra hafa nahazo fahafahana vonjimaika.
Niakatra fampanoavana nanomboka afakomaly ny olona 19 voarohirohy tamin’ilay sambo rendrika nitondra mpiondrana antsokosoko saika ho atsy amin’ny nosy Mayotte, andro vitsy lasa izay. Nitohy hatramin’ny omaly ny fanadihadian’ireo mpitsara mpanao famotorana. Taorian’izay, olona 15 voasaringotra tamin’iny raharaha iny no naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’ Antsiranana. Anisan ’izany ireo roa nanomana ilay fiondranana. Olona efatra kosa nahazo fahafahana vonjimaika taorian’ny fihainona azy. Mbola misy kosa ireo karohina momba iny tranga iny, anisan’izany ny tompon’ilay sambo sy ny olona nandray ny volan’ireo mpandeha.
Tsiahivina fa niainga tao Ambilobe ny alin’ny sabotsy 11 marsa teo ilay sambo nitondra olona marobe. Rendrika teo anelanelan’ny Nosy Faly sy Ankazomborona izy. Vokany, olona amam-polony maro no maty. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mitotaly 34 ny vata-mangatsiaka hita. Nisy zaza amam-behivavy izany. Fantatra ihany koa fa avy ao Ambilobe sy ny faritra avaratry ny Nosy ny ankamaroan’ireo mpandeha. Olona 24 kosa no avotra sy velona taorian’ny loza. Hatramin’ izao, “mbola karohina ilay sambo nitondra ireto mpandeha tra-doza ireto”, hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Henintsoa Hani