Hotanterahina any Moramanga ny 19, 20, 21 avrily izao ny fihaonamben’ny mpampianatra Sekoly alahady manerana ny sahan’ny FJKM. Hisy ny karazam-piofanana omena azy ireo, mifanaraka amin’ny taonan’ny ankizy raisiny.
Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra amin’ny fandraisana ireo ankizy sy tanora eny anivon’ny fitandremana, hikolo azy ireo ho tonga olom-banona sy mahay ny tenin’Andriamanitra.
Asa saropady ny fampianarana Sekoly alahady. Mandalo fiofanana mandritra ny herintaona ny mpampianatra ary havaozina hatrany izany mba hifanaraka amin’ny foto-pinoana sy hamolavolana ireo ankizy sy ny tanora.
Aman’aliny ireo mpampianatra Sekoly alahady manerana ny sahan’ny FJKM. Amana hetsiny koa ireo ankizy kristianina manovo fahalalana amin’izany, sampana velona eo anivon’ny FJKM Sady hamaranana ny fiofanana no hanokafana ny jobily faha-150 taonan’ny sampana Sekoly alahady ny 21 avrily.
Tatiana A