Taombaovao malagasy: voahaja ny fomba, tafita ny hafatra

Manomboka mahafantatra ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Maro ny efa saropiaro amin’izany ka mitandrina fatratra mba tsy ho very hasina. Manaja ny fomba sy mampita ho an’ny taranaka.

Ankoatra ny isan-tokantrano, toerana na faritra maro manerana ny Nosy sy tany ivelan’i Mada­gasikara no mankalaza ny Taombaovao malagasy, omaly mitohy anio. Fotoana nahitana fa voahaja ny fomba, tafita ho an’ny taranaka ny hafatra mila tazonina sy iainana. Fanda­haram-potoana lehibe notanterahina omaly ny fidiovana. Efa nanomboka izany andro vitsivitsy ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano. Ta­min’ny alalan’ny fakana afo tsy maty sy fandrehetana ny arendrina ary ny fitondrana izany manodidina ny tanana na vohitra na kianja kosa no notanterahina tamin’ny fanadiovana niombonana. Anio, andro voalohany amin’ny taona kosa no hanatanterahina ny santatra, ny fihinanana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely ary ny tsodrano sy ny lanonana samihafa, hoenti-misambasamba ny taona tsy ho azon-doza, ho lavitry ny atambo. Ho vory hasina, ha­nanan’ny tsirairay fahasalamana, sns.
Nahatafita hafatra ny mpikarakara ny Taombaovao malagasy rehetra (ray aman-dreny, ireo fikambanana samihafa, ireo mpahay fomba amam-panao, ireo mpampianatra…) satria tsikaritra fa nahaliana tanteraka ireo tanora ny na­merenana indray ny fomba amam-panao malagasy fahiny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: