“The Voice Africa” : noraisina an-tanana ny jamba

Manomboka ho hita amin’ny fahitalavitra ny « The Voice Africa » amin’ity volana ity, hahitana ny talentan’ny afrikanina, sady fialamboly. Airtel Africa, iray amin’ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra sy fikirakirana ara-bola, 14 taona nisy taty Afrika na­nambara fa handrasana io fandaharana io manomboka amin’ny 26 marsa 2023.
Mpanohana ny fandaharana ny Airtel Africa miray dia amin’ny FAME, trano mampiseho fandaharana amin’ny fa­hitalavitra maimaim-poana sy Airtel TV. 78 804 ny misoratra amin’ny « The Voice Afri­ca” avy amin’ny firenena maro aty Afrika, anisan’izany i Ma­da­ga­sikara. Ary 12 308 ireo manan-talenta notsongaina.
Hampihatra ny fomba fa­nao maneran-tany “The Voice Afri­ca”, manomboka amin’ny fampihenoana ny jamba sy ny fifaninanana isan-karazany miafara amin’ny fampisehoana mivantana maharitra 25 herinandro ka iray isan-kerinandro. Fandaha­rana voalohany ho an’ ny jamba manokana, mifantoka amin’ny feo fa tsy amin’ny fahitana. Hatao ho an’ny mpijery maneran-tany ny “The Voice Africa”.
Matoky ny fahaizan’ny ta­nora afrikanina ny Airtel Afri­ca, tsy ho an’i Afrika ihany fa manerana izao tontolo izao. Tamin’ny 2021, fiaraha-miasan’ny Airtel Africa tamin’ny Unicef nahatratra 57 tapitrisa dolara ho an’ny fanabeazana. Eo koa ny fanampiana isan-karazany hatramin’ny fanatanjahantena.

Ndrina

Partager sur: