Maro amin’ny Malagasy, tsy any ambanivohitra ihany, ny miompy akoho gasy nohatsaraina, fa amin’ny tanàn-dehibe koa amin’izao fotoana izao. Haingam-piodina ny akoho gasy ary tsy be masonkarena sy mora ompiana, hoy Atoa Andrianjafy teknisianina iray. Mila fitiavana sy finiavana.
Be mpanjifa ny akoho gasy, indrindra amin’ny andro fety. Ny vidiny amin’ izao tsy latsaky ny 20 000 Ar eny an-tsena, ary saro-tadiavina ny atodiny, manodidina 1500 Ar. Ho an’ny mpiompy efa matihanina (trano, hafanana, fahasalamana…) misy tombony maro ny akoho gasy fa amin’ny fanombohana azy no somary mandany.
Misy mpiompy manana akoho hatramin’ny 1000, ankoatra ny komandy aman-jatony isan-kerinadro tonga ao aminy. Marihina anefa fa akoho 10 ny nanombohana izany. Akoho lahy iray miaraka amin’ny akoho vavy efatra, hahazoana 400 eo ho eo anatin’ny taona iray. Mila matihanina amin’ny fitantanana anefa. Anisan’ny manome izany ny MPE* sy ireo kaoperativa samihafa. Izay fampiofanana izay dia efa vola miditra. Tanjona ny hampitombo ny tolotra amin’ ny tinady.
Tsy tokony ho raisina vadin’asa intsony ny fiompiana akoho fa tena sehatra hivelomana. Maherin’ny 100 % ny tombom-barotra azo avy aminy, hoy ireo efa mpiompy matihanina. Amin’ izay fiompiana matihanina izay, manatody 12 ka hatramin’ny 20 ny akoho iray, ary mikotrika in’enina na fito isan-taona. Akoho gasy, tsara sakafo (provandy) sy tsy tojon’ny aretina mahatratra 2 kg ny enim-bolana.
Katsaka no tokony maro indrindra
Misy fepetra daholo arahina, anisan’izany ny provandy no zava-dehibe ary ny katsaka no tokony maro indrindra hatramin’ny 43 %, miampy ireo akora hafa. Ankoatra izay ny vaksiny sy ny fanafody isan-karazany. Olana anefa eto an-toerana, tsy miankina amin’ny mpiompy fa amin’ny Jirama, ohatra, ho an’izay mampiasa hafanana avy amin’ny herinaratra. Sarotra ho an’ny mpiompy ny mahita fanafody sy akora fototra azo antoka fanaovana provandy. Tsy ampy na tsy misy mihitsy anefa ny teknisianina manara-maso izany eny an-tsena avy amin’ny minisitera misahana ny fiompiana. Na izany aza, misy teknisianina sy veterinera ety ivelany afaka manampy amin’ny lafiny rehetra.
Ndrina
MPE* : Malagasy Professionnels de l’Elevage.