Mpilalao anisan’ny voaantso hiatrika ny fampivondronana ho fanomanana ny “Mondial U19”, taranja basikety Andriatsarafara Lova. Anisan’ny mpilalao malagasy mila ravinahitra any ivelany, nitondra ny anjara birikiny tanteraka ka nahazoana ny vokatra tsara nandritra ny “Afrobasket U18”, ny taona 2022 farany teo izy. Nigadona teto Madagasikara ny 21 marsa teo, i Lova hiatrika ny fampivondronana. Tsiahivina fa any Etazonia ity mpilalao malagasy ity no mandranto sy mivoatra eo amin’ny taranja basikety.
Araka ny vaovao azo avy eo anivon’ny federasiona Malagasin’ny basikety, vinavinaina hatao ny 9 hatramin’ny 28 avrily izao ny fampivondronana ary havoaka tsy ho ela ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika izany.
Hihazo an’i Toamasina, toerana niaviany aloha Andriatsarafara Lova ary hamonjy ny namany hivondrona rehefa tonga io datin’ny fampivondronana io.
Mahakasika ny Ankoay 3×3 kosa, manao fanazaran-tena miaraka ireo mpilalao hiatrika ny “World Cup 3×3” amin’ izao, etsy Mahamasina. Mihazakazaka sy mikotrana ivelan’ny renivohitra kosa izy ireo, rehefa faran’ny herinandro.
Mi.Raz