Dihy ara-panatanjahantena-Rijamanitra : « Mila tohana ara-teknika ny mpandihy malagasy »

Nitondra ny heviny, ny filohan’ny federasiona mala­gasin’ny dihy ara-panatanjahantena, Randrianarisoa Rija­manitra, taorian’ny nandrombahan’ny atleta malagasy ny medaly volafotsy, tany La Réunion. «Manana ny maha izy azy ary manana fahaizana ny mpandihy malagasy saingy mila tohana ara-teknika», hoy ny nambarany. Ilaina ihany koa, hoy izy, ny fifaneraserana amin’ny any any ivelany, hahazoana mivelatra sy mandroso. Maniry fiaraha-miasa sy fanohanana avy amin’ny minisitra vaovao, André Haja Resampa, toy ny federasiona rehetra, ny federasiona mala­gasin’ny dihy ara-panatanjahantena, raha ny nohamafisin-dRandrianarisoa Rijamanitra hatrany.
Maniry hanao « démonstration » amin’ny JIOI

Tanjon’ny federasiona ny mba hanaovan’ny dihy ara-panatanjahantena «démonstration» amin’ny lalaon’ny Nosy. Nambaran’ny filohan’ ny FMDS, Randrianarisoa Rijamanitra fa misy ny «breaking» anatin’ny taranjam-panatanjahantena amin’ny lalao Olympika 2024, ka nahatonga azy ireo hangataka io «dé­mons­tration» io amin’ny JIOI. Eto Madagasikara sy ao La Réunion ihany, hoy izy, no manana federasiona, raha toa ka tokony ho firenena telo vao afaka mangataka amin’ny CIJ (Comité Internartional des Jeux), handray anjara amin’ny JIOI.
Tsiahivina, nandrombaka ny medaly volafotsy, tamin’ ny «Challenge Multidanse», natao tany La Réunion, ny solontena malagasy, ny 11 sy 12 marsa lasa teo. Nisokatra bebe kokoa teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny dihy malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: