Faha-100 taonan’ny Antily : afondasy lehibe eny Soamandrakizay

22 marsa 1923-22 marsa 2023. Feno 100 taona katroka ny Antilin’i Madagasikara. Manetrike­trika ny fanamarihana ary hisy afondasy lehibe hotanterahina eny Soamandrakizay.

Nanomboka omaly, ny fankalazana manetriketrika ny faha-100 taonan’ny Antilin’i Madaga­sikara na ny fikambanan’ny skoto katolika. 22 marsa 1923 no nitondran’ny pretra zezoita, mompera Du Mas De Paysac, ity fikambanana ity teto Antananarivo ary na­paritaka nanerana ny Nosy.
Natao teny Andohalo ny lamesa lehibe nanokafana ny hetsika, omaly. Lohahevitra lehibe voizina ao anatin’ny fankalazana ny hoe: “Antily miaina amin’ny tontolo an­kehitriny miaro ny tontolo iainana”. Miray vina, miray tanjona, miray fahombia­zana ho an’ny fanabeazana kosa no tarigetran’ny Antily amin’ity faha-100 taona ity.
Mifamotoana amin’ny afondasy lehibe eny Soaman­drakizay ny skoto an’aliny eto amin’ny diosezin’An­ta­na­narivo, ny sabotsy 25 marsa alina. Antsaha no iantsoana azy, izay anisan’ny mampiavaka ny skoto. Amin’io koa no handefasana ny “lanterne volante” hanome hazavana ana habakabaka. Hitohy amin’ny lamesa lehibe ny fankalazana, ny alahady izao, eny Soamandrakizay ihany, iarahana amin’ny fivondronamben’ny Eveka.
Mitovy ny endriky ny fankalazana manerana ny diosezy 22, raha ny fanazavana nentin’ny Chef Hasina na Ranivohasina Joseph Christian, tomponandrai­kitry ny Antily eto amin’ny diosezin’Antananarivo. Samy efa vonona tamin’ny fan­daminana izany avokoa izy ireo, araka ny toromarika iraisana. Miisa 15.000 ny mpikatroka Antily eto Anta­nanarivo. Maherin’ny 50.000 kosa ny mpikatroka mane­rana ny Nosy.
Fanazarana ny ankizy hahaleo tena amin’ny fiai­nana ny fibeazana skoto. Tia karokaroka amin’ny alalan’ ireo teknika ibeazana azy ireo tanora rehefa zatra niaina fiainana skoto. Anisan’ny tena voizina amin’izao ny fanodinana ny akora azo havaozina mba hiarovana ny tontolo iainana. Ankizy vonona hisedra ny sarotra ny Antily ka afaka miatrika ny fiainana rehetra andalovany.

Fandaharam-potoana

Anio, hisy ny varotra fam­pirantina ao amin’ny Plaza Ampefiloha. Anehoana ireo karazana asa tanana ataon’ ny Antily sy ny karazana teknika mampiavaka ny skoto. Ankoatra ireo ny vela-kevitra izay ahitana lohahevitra maro. Anisan’izany ny fiatrehan’ny Antily ny taonjato faha-21 sy ny andrasan’ ny fiarahamonina amin’ny Antily. Ny fanatsarana ny fanabeazana eo anivon’ny Antilin’i Madagasikara.
Rahampitso, hiompana amin’ny Antily sy ny fiarahamonina ny lohahevitra. Hitohy amin’ny fivoizana ny tontolo iainana izay imasoana izany. Mitohy amin’ny firesahana momba ny Antily sy ny finoana amin’ny maha fi­kambanana miankina amin’ ny finoana azy.
Hisy ny filaharambe miala eny Andohalo mihazo ny Parvis Analakely, ny sabotsy atoandro.

Tatiana A

Partager sur: