Ny dingana vita amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fampahafantarana momba ny tetiandrom-pifidianana, lafin-javatra samihafa momba ny zotram-pifidianana… Ireo no hakan-kevitra sy hifampizarana amin’ny fihaonan’ny Ceni amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana, eny Alarobia, rahampitso.
“Samy nantsoina na ny avy amin’ny fitondrana na ny avy amin’ny fanoherana. Eo koa ny avy amin’ny firaisamonina sivily izay misehatra amin’ny fifidianana, fantatra amin’ny hoe mpanara-maso fifidianana”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël.
Nasaina koa ireo olom-panjakana tompon’andraikitra amin’ny raharaham-pirenena. Noho izany, tsy afa-miala ny tomponandraiki-panjakana isan-tokony. Nantsoina koa ny tomponandraikitry ny fiangonana: ny FFKM.
Ilaina ny fifampihainoana
Zava-dehibe ny fihaonana ary raisin’ny Ceni ho andraikitra. Mitana ny fahaleovantenany ny Ceni amin’izany. Tsy misy fanapahan-kevitra momba ny lalàna ny atrikasa, fa ny lalàna efa misy no ampiharin’ny Ceni.
“Tsy ao anatin’ny foto-pisainanay eo anivon’ny Ceni ny hisian’ny korontana eto Madagasikara. Anisan’izay hisian’ny filaminana io fihaonana io”, hoy izy. Tokony ho fantatry ny rehetra fa samy tomponandraikitra ny tsirairay: mila mifampihaino, mifandresy lahatra, tsy hahavita inona raha tsy afa-kifampihaino. Tombontsoam-pirenena no jerena, fa tsy tombontsoan’olon-tokana na olom-bitsy.
R. Nd.